Politique

Kolo Roger Te ho ambasadaoro any Genčve ?


  • Zoma 09 Janoary 2015

Mihazakazaka ny resaka manodidina ny fanovana governemanta. Omaly dia efa tonga tany amin’ny hoe terena hametra-pialana ny praiminisitra Kolo Roger saingy tsy vonona amin’izany

Mbola nisy filankevitry ny governemanta rahateo omaly, nandraisana didim-panjakana miantso ireo solombavambahoaka hivory tsy ara-potoana manomboka amin’ny 13 janoary ho avy izao. Loharanom-baovao samihafa kosa no milaza fa efa tsy manantena hiverina eny Mahazoarivo intsony i Kolo Roger, saingy efa manomana ny hoavy politikany. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia te ho ambasadaoro any Genève Soisa, firenena izay nanaovany asa fihariana naharitra ny tenany. Tsy mbola nisy fanendrena ambasadaoro rahateo tao anatin’izay herintaona nijoroan’ity fitondrana HVM ity koa asa na izy no hamaky lay izay fanendrena vaovao izay. Hitarafana ny hoavy politikany moa ny fandraisam-pitenenany anio mandritra ny lanonana fifampiarahaban’ny andrimpanjakana noho ny Asaramanitra hatao eny Iavoloha, ka dia ho hita eo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT