Nangina tsy nandrenesam-peo i Kolo Roger omaly manodidina ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny nisamborana azy tamin’ny fomba mahery vaika teny an-tranony teny Faravohitra.
Mbola praiminisitra lehiben’ny governemanta ihany ve i Kolo Roger sa inona no nitranga ? Ny praiminisitra mantsy no lehiben’ny asam-panjakana sy mandrindra ny asan’ny OMC amin’ny resaka fiarovana sy filaminana. Na izy anefa na ireo minisitra voakasika mivantana amin’ny fiarovana sy ny filaminana anatiny dia samy tsy nahenoan-teny. Sa tezitra fa nosalovanin’ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny filohan’ny Repoblika, Henry Rabary-Njaka ny asan’izy ireo ka naleon’izy ireo nangina ? Raha izay no izy, tsy aleo manaja tena miala ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.