Politique

Kolikoly avo lenta Depiote maro higadra


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Ny 05 aprily no nametraka fitoriana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny depiote miisa 73, izay mitondra ny anarana depioten’ny Fanovana amin’izao fotoana izao noho ny fahitan’izy ireo fa nisy ny kolikoly avo lenta nampandaniana ireo lalàm-pifidianana teny amin’ny antenimieram-pirenena ny 03 aprily.

 

 Nalaza tamin’izay fa nahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary isaky ny depiote, izay nambara fa 79 no sandan’ny fandaniana azy. Samy niala bala tao anatin’izany ireo depioten’ny fanjakana, ary mbola nisy mihitsy no nahavita nanao rahom-bava. Nisy moa ny horonantsary miendrika fizaram-bola, izay nampisambadidaka ny samy mpanohana fitondrana, ka tao no nilaza fa efa tamin’ny taona 2016. Tao ny niteny fa fizaran-tsolika ho an’ny depioten’ny fitondrana. Ny ampitso no hanamarina na handiso, fa efa nisy kosa ny fampiantsoana nataon’ny Bianco ho an’ireo mpitory, ary mazava fa mandeha ny fanadihadiana ireo toriana. Nalaza moa ny nitazonana ireo depiote mpanohana ny fitondrana teny amin’ny Hotely Paon d’Or Antanetibe Ivato nialoha ny nandaniana ny lalàna, izany hoe nanomboka ny 30 martsa hatramin’ny  2 aprily. Tamin’io no nivoahan’ny resaka momba ny fanomanana ny kolikoly sy ny fizaram-bola, ankoatra ny mety ho fanambazana tany aloha. Ny fanadihadiana no hamaritra ny tena marina momba izay kolikoly izay, fa raha ny loharanom-baovao iray aloha, dia re fa manomboka voaporofo ny fisian’ny kolikoly nandritra ny fizarana vola ny fivoriana nataon’ireo depiote tao amin’ny Paon d’Or, ary maro ny depiote mety higadra. Raha ny nambaran’ny olona iray tsy nisafidy ny tsy hitonona anarana ao anatin’io hotely io mantsy, dia ny 20 aprily maraina teo no  nalaina ny “disque dure” mitahiry ny horonantsary rehetra niseho tao anatin’izany ka misy ny resaka mivoaka fa mety hivoaka ao anatin’io ny horonantsary maneho ny mety ho nampidirana ny vola na ny fizaram-bola tao, saingy andrasana aloha izay havoakan’ny Bianco. Loharanom-baovao iray ihany koa no nahalalana fa nisy depiote 3 taorian’ireny nampalaza ny raharaha kolikoly ireny no nalaza ho nandrotsaka vola 20 tapitrisa in-droa misesy avy tao amin’ny banky iray teo Tsimbazaza, izany hoe 40 tapitrisa avy. Voatonona tao ny anaran’ny depiote avy any Toliara HBE, depiote avy any Antsohihy JJ, ary ny depiote iray avy any Atsimo Atsinanana VJA. Ny fanadihadian’ny Bianco ao amin’io Banky io ihany koa no mety hampipoitra ny marina satria voalaza fa tsy dia fanaon’izy ireo izany, fa sambasamba. Andrasana ny tohin’ny tantara.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT