Vola 20 000 Ariary sandoka maro no niparitaka tao amin`ny Renivohitrin`ny faritanin`i Toliara nandritra ny androm-pifidianana omaly.
Raha ny loharanom-baovao voaray dia nisy andian`olona sasany no manao takalo vola sandoka amin`ny safidin`ny mpifidy ka nomena ireo vola sandoka ireo. Saika mitovy tsisy valaka amin`ny vola roa alina Ariary tena izy saingy tamin`ny alalan`ny lokony sy ny kalitaon`ny taratasim-bola no nahafantarana fa tsy izy ireo vola nividianana safidim-bahoaka izay. Raha tsiahivina ny faran`ny volana Oktobra lasa teo no nahasarona volabe sandoka nitentina 616 600 000 Ariary amin`ny 10 000 Ariary teo aloha ny mpitandro filaminana izay saika haparitaka teto an-drenivohitra indrindra amin`izao fotoam-pifidianana izao. Efa harifomba ny fitaovana ampiasain`ireo olon-dratsy ka efa saika nanakaiky ny vola tena izy mihitsy ireo. Fotoam-pidianana rahateo isika ka mbola hita taratra hatrany ny kolikolim-pifidianana. Na dia eo aza ny fikasan`ny olon-dratsy hanao izany fomba maloto izany dia omena tsiny ihany koa ireo mpifidy izay saika hivarotra ny safidiny izay. Anatra ho an`ny sisa, aoka tsy ho variana amin`ny laza, harena, na ny vola zarazaraina fotsiny sy ireny tee-shirt ireny ny olom-pirenena rehefa fotoam-pifidianana satria adidy sy andraikitra ny mifidy ary anisan`ny tompon’andraiktra voalohany amin`ny fampandrosoana ny tsirairay.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.