Politique

Kohen Rivolala Mila an-dRavalomanana ny firenena


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Antony tsy nahafahan’i Kohen Rivo Lala Ctic Ctac Do ho an’i Madagasikara na ny CCDM nilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tsy mbola nivoahan’ny taratasy “récépissé legal”an’ny antoko Politika CCDM izay tarihany, raha ny fanehoan-kevitr’i Kohen Rivolala.

 

 

 

 Naneho ny fahavononany tanteraka izy ary poron’izany ny fandaniam-bola nataony satria efa ho 5 volana lasa izay nanao “pré-campagne”, ny fidirana tamin’ny haino aman-jery maro nilazany ny programan’asany sy ny vina hoentiny mitondra an’i Madagasikara,... Ny fotoam-bita tokoa anefa tsy mahaleo ny sampona fa tsy nahazo nilatsaka i Kohen Rivo Lala noho izy tsy mbola manana ny antoko Politika ara-dalàna, ka dia ny fanohanany ny filoha Marc Ravalomanana izay efa naharesy lahatra azy sy notohanany hatramin’izay no hitany fa vahaolana ara-politika sy sosialy ho an’i Madagasikara raha ny nambarany. Latsaka an-katerena tokoa ny firenena Malagasy ka mila mpitondra efa manana traikefa sy olon-dehibe sy zatra mitantana ary mitsinjo ny tantsaha, hoy izy. Mila mpitondra hentitra sy to teny handroso haingana. Tsy olona baranahana sy mpanao politika malemilemy hazon-damosina. Mila an’i Marc Ravalomanana ny Malagasy 25 tapitrisa, hoy i Kohen Rivolala ka manainga ny mpomba azy rehetra manerana an’i Madagasikara izy mba hiara-kifanolo-tanana hanao izay hahalany an’i Marc Ravalomanana laharana faha-25 amin’ny fifidianana fihodinana faha-2 io. Hanao izay faraheriko aho sy ny mpanara-dia ahy eran’ny Nosy sy hatrany ivelany hampandany an’i Marc Ravalomanana, hoy hatrany i Kohen Rivolala. Misokatra hatrany amin’ny rehetra na aiza na aiza misy azy i Marc Ravalomanana, ary kandidan’ny vahoaka Malagasy manontolo sy ho filohan’i Madagasikara. Afaka mampiombona rehetra, ka ireo kandida filoha nifaninana taminy tamin’ny fihodinana voalohany aza, dia maro no efa re na tsy nanao fanambarana ofisialy aza, fa vonona hanohana sy hanome tanana azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT