Tsy nisalasala I Kohen Rivolala, mpaminany Hebreo Jodaisma, nilaza fa mbola hiverina eo amin’ny fitondrana Ravalomanana Marc. Raha ny fanehoan-keviny dia noho ny zava-miseho amin’izao fotoana izao no hanamora ny fiverenan’io filoha teo aloha eo amin’ny fitantanana ny firenena
. Tsy mahita lalana ahafahana mamaha ny olana misy eto Madagasikara intsony mantsy ny fitondrana misy ankehitriny. Maro, hoy izy, ny lesoka nataon’ny mpitondra eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ka mety hiafara amin’ny fanesorana eo amin’ny toerana ny filoham-pirenena sy ny mambran’ny governemanta raha tsy misy ny fanovana izay miainga avy eny ifotony. Olana iray ny tsy fanajana ny demokrasia. Ozona no tena mahatonga ny fahantrana sy ny tsy ahafahana miroso amin’ny fampivoarana ny firenena, hoy hatrany i Kohen Rivolala. Tsy ho tanteraka io fampihavanam-pirenena io noho ny tery vay manta mahazo ny filoha. Nanamafy ity mpaminany ity fa aorian’ny filoha teo aloha amin’ny fiverenana ny hitantana ny fanjakana dia izy no handimby azy eo amin’ny toerany. Nandritra ny fandalovan’i Kohen tao Mahajanga dia maro ireo olona no liana tamin’ny fitsaboana nataony ary nanontany azy momba ny toe-draharaham-pirenena. Ny fibebahana amin’Andriamanitra ihany no vahaolana ho an’ny Malagasy rehetra, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.