Politique

KMSD Mijery ireo tena sahirana eny ambany tanŕna


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Betsaka ireo fianakaviana hianjadiam-pahasahiranana amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Ho fanampiana azy ireny indrindra dia tsy mitsahatra ny mijery ireo tena niangaran’ny vintana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Kandida Solombavambahoaka Miara-dia eto Madagasikara (KMSD), tarihin’ny filohany Rakotovololona Lafatra.

 

  Teny amin’ny Fokontany Ankazomanga omaly no nanohizan’izy ireo ny hetsika ka ankizy manodidina ny 200 isa no nahazo tombontsoa tamin’ny fizarana kahie sy kitapo ary penina…. Ankoatra izay dia nojeren’izy ireo manokana ihany koa ireo vehivavy mpanasa lamba ao amin’ity Fokontany ity izay nomeny fitaovana mifandraika amin’izany. Nambaran-dRakotovololona Lafatra nandritra izany fa asa sosialy efa nimasoan’izy ireo hatramin’ny ela ny tahaka izao no sady adidy amin’ny firenena ihany koa. Tsy resa-politika no tanjona, hoy izy fa ny hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena amin’ny alalan’ireny madinika ireny. Mikasika ny pacte de responsabilité manokana dia nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa raha vahaolana hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena tokoa dia azo tanterahina tsara.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT