Efa manana ny paikady matotra hampandaniana an'i Dada Ravalomanana ireo toko telo mahamasa-nahandro ao Tolagnaro dia ny TIM, ny KMMR ary ny KMD (kominina manohana an'i Dada).
Ezaky ny mpikambana samirery no hanaovana ny fampielezan-kevitra.Tsy misy kiandriandry fa mitety ireo fokontany 12 ao an-tampotananan’i Taolagnaro izy ireo . Misy ny mpikambana efa hatramin’ny taona 2001 , fa eo ihany koa ireo mpikambana vaovao resy lahatra fa i Marc Ravalomanana ihany no afaka hampandroso ity Madagasikara ity. Tsy navelan'ireto mpanohana handalo fotsiny ny herinandro voalohany ny fampielezan-kevitra fa miezaka mandresy lahatra ny mpiara-monina izy ireo. Manentana eny amin'ny fokontany araka izay tratra sy zakan'ny eo am-pelantanana.Maro amin'ireo mpanohana Kandida hafa no nitodi-doha niverin-dalana nanaraka ireto mpanohana an'i Dada ireto, Tsy tambazana vola na harena fa asesiky ny fitiavana.Be fanantenana ireto mpanohana an'i Dada ireto fa indray mihodina ihany dia vita ny fifidianana.
Onesime Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.