Politique

KMMR , KMD ary TIM Taolagnaro Vonona hampandany an'i Dada


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Efa manana ny paikady matotra hampandaniana an'i Dada Ravalomanana ireo toko telo mahamasa-nahandro ao Tolagnaro dia ny TIM, ny KMMR ary ny KMD (kominina manohana an'i Dada).

 

 

Ezaky ny mpikambana samirery no hanaovana  ny fampielezan-kevitra.Tsy misy kiandriandry fa mitety ireo fokontany 12 ao an-tampotananan’i Taolagnaro izy ireo . Misy ny mpikambana efa hatramin’ny taona 2001 , fa eo ihany koa ireo mpikambana vaovao resy lahatra fa i Marc Ravalomanana ihany no afaka hampandroso ity Madagasikara ity. Tsy navelan'ireto mpanohana handalo fotsiny ny herinandro voalohany ny fampielezan-kevitra fa miezaka mandresy lahatra ny mpiara-monina izy ireo. Manentana eny amin'ny fokontany araka izay tratra sy zakan'ny eo am-pelantanana.Maro amin'ireo mpanohana Kandida hafa no nitodi-doha niverin-dalana nanaraka ireto mpanohana an'i Dada ireto, Tsy tambazana vola na harena fa asesiky ny fitiavana.Be fanantenana ireto mpanohana an'i Dada ireto fa indray mihodina ihany dia vita ny fifidianana.

Onesime Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT