Politique

KMMR Andoharanofotsy Vonona ny hampandany ny filoha Ravalomanana


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano.

 

 Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Atsimondrano ilany atsinanana, tarihin-dRadezy ao Iavoloha. Araka ny fanazavan’ireo mpikambana dia vao niala teo amin’ny fitondrana ity filoha teo aloha ity dia efa nivonona amin’ny fampandaniana azy indray ho eo amin’ny fitondrana ny KMMR.  Ho an’Andoharanofotsy manokana dia efa iray volana izao no nitsanganan’ny fikambanana ahitana ireo sokajin’olona rehetra manerana ny fokontany maro  ka ao amin’ny école Sissi  Mahabo no misy ny foiben’izy ireo. Mivoha isan’andro io ivontoerana io hahafahana mandray ireo olona  maniry ny hampandany ny filoha Ravalomanana. Toraka izay koa ny hetahetan’izy ireo ary tsy latsa-danja ny fahafahan’ny tsirairay mijery ny anarany ao anaty lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny  tranon-kalam-pifandraisan’ny CENI. Tanjon’ny KMMR Andoharanofotsy ny mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny famerenana ny filoha Ravalomanana eo amin’ny toerany  hisian’ny tany tan-dalàna sy ny fampandrosoana mirindra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT