Politique

KMF-CNOE Tsy ampy ny fanabeazana tamin'ny fifidianana


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Anisan'ny voasokajy ho ambany ny taham-pahavitrihana tamin'ity fifidianana ity,

 

 

 

 ka ahiana tsy ho marin-toerana izay ho filoham-pirenena vaovao eo, raha ny salanisan'ireo olom-pirenena nandrotsa-bato no jerena, hoy ny eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena manabe ny fifidianana (KMF-CNOE), satria hisy fiantraikany amin'ny maha ara-dalàna azy. Maro ny lesoka tamin'ny fihodinana voalohany, indrindra teo amin'ny fanabeazana amin'ny fifidianana, satria misimisy ihany ny vato fotsy sy vato tsy manan-kery. Ny vato tsy manan-kery dia azo hitarafana sahady ny tsy fahampiana fanabeazana, satria azo sokajiana ny tsy fahaizan'ilay mpifidy mikirakira ireo fitaovana ampiasaina mandritra ny androm-pifidianana. Ny vato fotsy indray dia ahitana ny fahatsapan'ilay olom-pirenena fa tsy mahafeno ny hetahetany ireo kandidà. Fanehoana ny safidy ihany ny fandatsahana an'ireo vato ireo, hoy ny teo anivon'ny KMF-CNOE, ka tokony hitondrana fanatsarana ao anatin'ny lalàm-pifidianana, indrindra ny fanomezan-danja ny vato fotsy. Hiditra amin'ny fihodinana faharoa ny fifidianana filohan'ny Repoblika, ka tokony hahay handanjalanja ny safidy ataony ny olom-pirenena ary ho tomponandraikitra amin'ny safidiny fa tsy hailika amin'ny hafa sy amin’ny any ivelany. Mampirisika hatrany an’ireo olom-pirenena ny KMF-CNOE mba ho sahy hanatontosa ny andraikiny ary hampitombo hatrany ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy amin'ny fifidianana manaraka eo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT