Politique

KMF-CNOE sy ny Liberty 32 Velon’ahiahy tanteraka ny amin’ny fifidianana


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna miseho miharihary araka ny fanambarana nataon’ny KMF/CNOE sy ny Liberty 32 tetsy amin’ny Immeuble Santa Antanimena tamin’ny sabotsy 06 oktobra lasa teo raha fiatrehana fifidianana no resahana.

 

 Miahiahy ny mety hahasarotra ny hisian’ny fifidianana mirindra sy eken’ny maro izy ireo noho ny tranga samihafa amin’izao fotoana izao ka nanao antso hanairana ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Manoloana ny lisitry ny mpifidy dia nametraka fanontaniana tamin’ny vaomiera mahaleo tena mikasika ny fifidianana (CENI) izy ireo nanao hoe: inona no azo ataon’ireo olom-pirenena izay efa nanamarina ny mombamomba azy nefa mbola misy fahadisoana ihany? Mahakasika ny biraom-pifidianana indray dia manahy ny mety hisiana fifanjevoana mandritra ny androm-pifidianana izy ireo ka mitaky amin’ny CENI mba hitondra fanazavana ho fisorohana izany. Ankoatr’izay dia nanambara izy ireo fa tsy nisy fampitandremana  mafy nataon’ny CENI ho an’ireo tsy nanaja ny lalàna ka nanao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, nampiasa fitaovam-panjakana ary nametaka afisy eny amin’ny toerana voararan’ny lalàna. Mbola maro ihany koa ireo kandida tsy nanendry ireo mpitam-bolan’ny fampiasam-bola mandritra ny fampielezan-kevitra teny amin’ny CENI anefa takian’ny lalàna izany. Izany rehetra izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny CENI mba tsy hisian’ny fisalasalana eo amin’ny tena fahaleovantenan’ity rafitra ity. Miantso ireo kandida sy ny mpanohana azy ihany koa izy ireo ny amin’ny fifanajana ny amin’ny samy mpifaninana sy ny fanarahan-dalàna hisorohana ny korontana. Izany ezaka rehetra izany ihany no antoka hitondra  amin’ny filaminana sy fitoniana ka ahafahana hanatanteraka fifidianana eken’ny rehetra.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT