Tena nisy fiantraikany teo amin’ny firosoan’ny dinika tamin’ny fakan-kevitra ho an’ny fampihavanam-pirenena isam-paritra ny fisintahan’ny ankolafy roa, Zafy
Albert sy Andry Rajoelina, hoy Atoa Rakotoniaina Jean-Fidèle mpikambana ao amin’ny
KMF/CNOE anisan’ireo mpandray anjara tamin’izany tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety omaly. Azo ambara, hoy izy, fa tena nandringa ny fandrindrana iny fakan-kevitra iny. Nomarihan’ny KMF CNOE avy amin’ity solontenany ity fa anisan’ny hevitra nipoitra tao anatin’iny fakan-kevitra iny ny tokony hanovana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, ary tsy tokony ho hita taratra ao anatin’izany intsony ny fisian’ny tsimatimanota ary tsy ilaina hatokana ho any amin’ny fitsarana ambony na HCJ ny hitsarana ireo mpitondra manao ny tsy fanao eto amin’ny firenena ka tokony hatao mitovy amin’ny fitsarana ny sarababen’ny vahoaka ny fitsarana ireo olon’ny fitondrana rehetra na dia hamoronana rantsam-pitsarana hafa aza. Nanome soson-kevitra koa ny KMF/Cnoe, mbola tamin’ny alalan’ity solontenana ity ihany, fa tokony ho foanana ny Bianco sy ny Samifin satria dia tsy mbola nahafoana ny fisian’ny kolikoly ny fisian’ireo teo hatramin’izay. Midika izany, hoy izy, fa any amin’ny mpitondra no hipoiran’ny kolikoly, indrindra ny kolikoly avo lenta.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.