Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Astauria Antanimena omaly alakamisy 4 oktobra ny fanatontosana ny fanangonan-kevitra FAMAH (FAmpandrosoana an’i Madagasikara Ahoana ny Hevitrao) nokarakarain’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olom-pirenena tamin’ny volana septambra teo.
Tetikasa miompana amin’ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena manoloana ny fifidianana ho avy ary nametrahana fanontaniana tamin’ireo olona ao anatin’ny distrika miisa 119, tanàna miisa 1767, fokontany 880 ary kaominina 273. Araka izany dia nisy ny fitetezana tanàna sy fidinana ifotony mihitsy, ary ny fanentanana maro samihafa sy fametrahana boatin-kevitra ny amin’ny tokony ho andraikitry ny filoham-pirenena nataon’ny KMF/CNOE ho fandraisana ny hevitry ny olom-pirenena. Tanjon’ity hetsika FAMAH ity moa ny hanairana ny hambom-pon’ireo olom-pirenena ny amin’ny maha zava-dehibe ny fifidianana filohan’ny repoblika hotanterahina eto Madagasikara afaka fotoana fohy. 63 ny isan’ny hevitra voangona ary olom-pirenena miisa 35.550 no nandray anjara tamin’ny famaliana ny fanadihadiana. 35 hatramin’ny 60 taona monina amin’ny tontolo ambanivohitra kosa ny no naneho hevitra ka nisongadina tamin’izany ny hetaheta hisian’ny fandriampahalemana, ny fanamboarana sy fanavaozana lalana ary ny fanafoanana kolikoly. Mifanindran-dalana amin’ny tanjon’ny KMF/CNOE ny tanjon’ny fampandrosoana haingana an’i Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.