Politique

Kitoatoam-pitantanana


  • Talata 12 Mey 2015

Asa indray izay ho ambaran’ny filankevitry ny minisitra min’ity anio ity fa hatry ny omaly hariva aloha dia efa nahoraka be fa mety ho ahemotra indray ny daty fara fandraisana ny antontan-taratasy amin’ny fifidianana kaominaly.

Fanapahan-kevitra mety tsy dia mahagaga intsony satria hita taratra fa tena mitarazoka be ny fanaterana dosie eny amin’ireo OVEC manerana ny nosy , noho ny antony maro samihafa.Tsy iadian-kevitra be firy ny antony ara-teknika fa ny tsapa fotsiny aloha dia maro be ny zavatra manjavozavo, be loatra ny ahiahy, isan-karazany ny fiovana tampoka eny am-panidinana eny hany ka lasa mahazo rariny ho azy ireo nilaza fa kitoatoa io fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 31 jolay io.Asa raha mba manokana fotoana handinihana sy hisaintsainana ny raharaham-pirenena ihany ny mpitondra ankehitriny fa dia tena…mampiteny ny moana ny kitoatoam-pitantanana e !Atao ahoana moa fa ny kabary voalohan’ingahy filoha aza dia efa hala-tahaka ka dia tantara mitohy fotsiny sisa ny ambiny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT