Voalaza tany aloha fa nizotra nilamina tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fifidianana notontosaina tany Kiranomena Fenoarivobe ka nahatafavoaka ho mpandresy raha ny vokatra vonjimaika nivoaka ny kandidà TIM Randrianaivoarisoa Jaona Lydian.
Efa nitondrana akony mihitsy teto amin’ny gazety Tia Tanindrana laharana 1797 ny alatsinainy 10 aogositra 2015 pejy faha-2 aza izany. Fantatra indray izao fa nivadika ny rasa fa nolazain’ny kandidà iray hafa izay ben’ny tanàna am-perinasa fa nisy hala-bato sy fikorontanana samihafa, hono, nitranga tany amin’ity distrika ity tamin’iny fotoam-pifidianana iny. Voatery nametraka fitoriana eny amin’ny tribonaly misahana ny fitsarana ny fifidianana izy izay mitaky ny hanafoanana ny voka-pifidianana any amin’ireo birao fandatsaham-bato sasany tena naharesy azy be dia be. Nasaina nanatitra « mémoire de défense » eny anivon’ity fitsarana ity mihitsy aza eo anatrehan’izany ny kandidà Randrianaivoarisoa Jaona Lydian. Dia samy miandry ny vokatr’izany amin’ny famoahana ofisialin’ny fifidianana kaominaly notontosaina tamin’ny faha-31 jolay teo raha ny marina ny rehetra mba tena ahafantarana ny zava-nisy marina tany an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.