Nanaovan'ny mpitandro ny filaminana fisafoana avokoa omaly ireo lycée français rehetra eto an-drenivohitra. Anton'izany ny fisian'ny resaka nandeha mikasika ny fahatongavan'ireo jiolahy mpaka an-keriny izay haka mpianatra ao amin'ny lycée français Ambatobe.
Mpampianatra iray tao amin'ity lycée mampiasa ny teny Frantsay ity raha araka ny fanadihadiana natao no nahazo hafatra an-telefaonina mikasika izany. Nampandre avy hatrany ny tompon'andraikitra tao amin'ny sekoly izy taorian'izany ary ireto farany no nampandre ny mpitandro ny filaminana. Tokony ho tamin'ny 09 ora maraina ireto farany no niatrana teny an-toerana nanao fisafoana ny manodidina hatramin'ny 11 ora antoandro. Tsy nisy nahazo nivoaka ny mpianatra nandritra izany. Taorian'izay kosa anefa dia lasa nifindra toerana tany an-kafa izy ireo ary niaina tamin-kalalahana ny mpianatra. Hatramin'ny fotoana nahazoana ny vaovao dia tsy nisy ny fakana an-keriny ao amin'ity sekoly ity, nilamina tanteraka ny teny Ambatobe sy ny manodidina.
Pati
Sary Nofy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.