Henjankenjam-pihetsika ireo mpitandro ny filaminana (emmo reg) teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly. Totoafo ny daroka baomba mandatsa-dranomaso, nanomboka ny maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro.
Maro ireo jenjina sy fanina, nisy ny voalaza fa safotra. Tsikaritra ihany koa fa nisy ireo naratra, tahaka ny tovolahy iray nijoro vavolombelona izay naratra teo amin’ny tendany sy ny sandriny an-kavia. Tsy nianjera izy na niady na voavely saingy niantefana zavatra niteraka ratra sy nivadika ho mangana avy eo. Rehefa nojerena sy nohadihadiana dia heverina fa bala fingotra (balle à blomp) no nahavoa azy. Mazava izany ny resaka eto fa ankoatra ny baomba mandatsa-dranomaso na ny baomba lakrimozenina dia nitifitra tamina bala fingotra ihany koa omaly ireo mpitandro ny filaminana. Somary dombo ny lohan’ny bala fingotra raha oharina amin’ny bala fotsy sy ny bala tena izy, na ihany koa boribory tahaka ny kanety izy io. Tsy mahafaty fa kosa mety tena handratra mafy, indrindra fa raha atifitra akaiky ny bala fingotra. Azo tarafina amin’izany fa tsy nihafihafy fa tena nanenjana ny tafika omaly tamin’ny fandavana ny hetsiky ny olom-pirenena mitaky ny fahamarinana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.