Politique

Kianjan’ny 13 Mey Ho rakotra vahoaka anio…


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Andro faharoa ho an’ny taona 2019 ity alarobia 2 janoary ity, ary faharoa ihany koa amin’ny hetsika hiarovana ny safidim-bahoaka noho ny hosoka sy halatra tamin’ny fifidianana. Tamin’ny sabotsy 29 desambra 2018 teo no nanombohany.

 

 

 

 Sady fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao izany ny anio eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no fotoana ihany koa hanamafisana ny hetsika sy ny tolona hiadiana amin’ny tsy fahamarinana. Amin’ny maha endrika fety azy dia ho avy hanafana ny hetsika ny mpanakanto miara-dia amin’ny tolona ho fitakiana ny fahamarinana ka anio 2 janoary dia hanafana ny fotoana i Lôla, Stéphanie,…. Taona vaovao no hodiavina ary politika vaovao mifototra amin’ny fahamarinana no tokony hitondrana ny firenena Malagasy fa tsy ny kolikoly sy ny hosoka no ho fototra hiorenan’ny fanjakana izay mampijoro ny vahoaka amin’izao. Fampianaran-dratsy ho an’ny taranaka faramandimby ny fanekena ny hanjakan’ny hosoka sy ny halatra. Efa mitohaka amin’ny tenda ny porofon’ny hosoka tamin’ny fifidianana teo ka haseho vahoaka ny halatra sy fanodikondinana ny safidim-bahoaka anio. Vao miantomboka ny taona 2019, dia mafampana ny raharaham-pirenena satria leo politika maloto, hosoka, kolikoly sy ny maro hafa ny vahoaka izay miandrandra fihatsaram-piainana, fandrosoana mipaka eny ifotony. Tsy hisy fampandrosoana vanona ary tsy hisy mpitondra hampandroso raha aty amin’ny fifidianana dia efa mangalatra sy manao hosoka. Tsy fitia hanakiana na hanaratsy fa nisy olona teto nandrombaka fahefana tamin’ny alalan’ny miaramila mirongo fiadiana ny taona 2009. Nitotongana tanteraka ny fiainan-dRamalagasy ary niha nahantra fa ireo nandrombaka fahefana tena nitombo avo arivo heny angamba ny ambaindain’ny hareny, ary ny lohany tamin’izany dia tsy mba nahatoky kely akory ny firenena fa notaominy any am-pita ny ankamaroan’ny harena azony teto. Tonga indray izy namendrofendro sy nanao ny faraheriny nanao hosoka sy kolikoly hahazoana fahefana. Izany ve no atao hoe fitiavan-tanindrazana ? Feno ny kapoaka ary fotoana izao hijoroana satria tadiavin’ny sasany halevina ny fahamarinana ka kolikoly sy hosoka sy fitiavan-tena no ho fototra hijoroan’ny firenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT