Vao maraina dia efa rakotra mpitandro filaminana nirongo fiadiana nanakana ny hetsika am-pilaminana nokasain’ny K25 mitaky ny fahamarinana hatao.
Naiditra tao anatin’ny « parvis » mihitsy ny fiarabe efa am-polony mahery niampy ireo fiara madinidinika nitondra ireo mpitandro ny filaminana, tsy nahafahan’ny olona niditra tao, ary niatrana am-bava basy avy hatrany izy ireo. Taorian’ny fivoriana notarihin’ny praiminisitra sy ny OMC-NAT (Organe Mixtes de Conceptions) no voalaza fa nanapahana ny hanakanana ny hetsika. Tsy nahasakana ny vahoaka maro ho tonga izany, ka narantirantin’izy ireo tety ivelany ny sorabaventy. Nandeha ny fifampiresahana tamin’ireo mpitarika sy ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, ka tsy nanaiky hatramin’ny farany ny hidirana tao an-kianja izy ireo. Izay no baiko avy amin’ny Prefen’Antananarivo, ka tsy afaka hanao zavatra mifanohitra amin’izay, raha ny valin-teny teny an-kianja. Nasaina niantso ny Prefe mba hisian’ny fifampiresahana sy hanome baiko hahafahan’ny vahoaka mitolona am-pilaminana, saingy tsy tontosa izany. Ny Prefen’Antananarivo rahateo moa, dia voalaza fa tsy mandray na namono finday hatrany. Tapa-kevitra ny nihazo an’i Tsimbazaza toeram-piasan’io tompon’andraikitra io ny mpitarika sy ny vahoaka tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, saingy efa namonjy niatrana teny an-toerana ny ampahan’ny mpitandro ny filaminana. Tsy tao an-toerana indray ny tenany rehefa tonga tany ireo mpitolona, izay ireo depiote mpitarika no niresaka tamin’ireo mpiandry raharaha, izay angady tsy mahatapak’ahitra. Nambara fa mivory kosa ny Prefe, saingy tsy fantatra mazava hoe taiza ary mahakasika inona ary tsy nisy ny tatitra mahakasika izany hatramin’ny fotoana nanoratana. Nitsoaka andraikitra (abandon de poste) ve izany ny tenany tao anatin’ny raharaha efa mivaivay ary nanao tsinontsinona ireo vahoaka niandry am-pilaminana ny baiko avy aminy hahafaha-manohy ny hetsika ? Karazana fihantsiana sy fandranitana no handraisan’ny vahoaka mpitaky ny fahamarinana izany, ka tsy hanaiky lembenana izy ireo raha tsy mandresy ny tolona, ary ho an’ny andro anio izay tsy fiasana dia ho tonga maro be ny vahoaka. Tsiahivina fa ny 21 aprily nisian’ny faty olona teny Analakely noho ny baiko fandravana ny hetsika, dia nilaza izy ny 23 aprily fa tsy hanome baiko hampamono vahoaka handrava hetsika fa raha hanao dia fiarovana amin’ny fihoaram-pefy saingy tsy izany intsony no nataony amin’izao. Handranitra vahoaka milamina sy hanao izay hampitroatra mba hampiasana hery aminy hisian’ny ra mandriaka sy faty olona indray ve sanatria vao hamendrofendro ? Raha mbola misy ny fandrarana kanefa tsy mamaly antso na mamono finday ny tompon’andraikitra anio dia ho raikitra indray ny diabe mankeny amin’ny Prefektiora Tsimbazaza na koa eny amin’ny Primatiora tena niaingan’ny baiko, hoy ireo mpitarika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.