Tena toerana atahoran’ny mpitondra mafy ny kianjan’ny 13 mey, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles avy any Moramanga, ka tsy mahagaga raha noferany ny fotoana nahazoana nanao fihetsiketsehana fanaterana voninkazo teo tamin’ity taona 2015 ity
. Teo avokoa mantsy, hoy izy, no niandohan’ny fihetsiketsehana naharodanan’ireo fitondrana nifandimby teto amintsika na ny tamin’ny Repoblika voalohany izany na ny faharoa na ny fahatelo. Ny fijanonan’ny vahoaka maharitra ela eo amin’io toerana io rehefa andron’ny 13 mey dia mampitamberina sy mampahatsiahy zavatra maro ao an-dohany ka mety hampitroatra azy indray, hoy ity depiote ity fa raha mandalo vetivety manatitra voninkazo fotsiny izy dia mety tsy haninona. Tsy maintsy mitandrina tsara isika izany mba hisian’ny fitoniana marina eto Madagasikara izay tena takian’ny Vondrona Iraisam-pirenena ho antoka hamoahany ireo famatsiam-bola mahazatra fa efa tena fefiky ny fahasahiranana ny Malagasy ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.