Politique

Kianja 13 mey Nisy nitoraka baomba


  • Zoma 11 Mey 2018

Nisy nitoraka tamin’ny baomba vita tanana miisa 6 na itony antsoina hoe :”cocktail Molotov” itony ny lapihazo fikabarian’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana etsy amin’ny kianja 13 omaly alakamisy 10 mey tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina.

Raha araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny CIRGN Antananarivo Andry Rakotondrazaka niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny Emmofar omaly, dia olona 2 nitaingina moto scooter no nanipy ireo  ”cocktail Molotov” ireo ary nirifatra nitsoaka avy hatrany. Tsy mbola fantatra ireo olona ireo ary tsy mbola voasambotra ihany koa. Velarana 2m² tamin’ny lapihazo no fantatra fa nirehitra noho io tranga io. Azo heverina fa don-tandroka atao ireo depiote ho an’ny fanovana mba hampatahotra azy ireo izany, hoy ny solontenan’izy ireo raha nanontaniana omaly. Nanamafy ary nanizingizina anefa ry zareo 73 mianadahy depiote ho an’ny fanovana fa mitohy ny tolona, tsy misy mihemotra izany. Vao miha aza hihamafy ny hetsika ary amin’ity zoma ity dia hiainga isaky ny boriborintany manomboka amin’ny 9 ora ny hetsika ka hiroso amin’ny diabe ho an’ny fanovana mihazo ny kianja 13 mey. Hanampy tosika ny mpitolona avy eto an-drenivohitra ny avy amin’ireo kaominina sy distrika manodidina an’Antananarivo. Manamafy ireo mpitolona fa “tsy izahay no miala fa Rajaonarimampianina”. Amin’ny ankapobeny dia tranga fahita amina firenena maro fa tsy eto Maddagasikara ihany akory ny fampihorohoroana ara-tsaina, tahaka an’io hoe fanipazana :”cocktail Molotov” io. Mba hampihemorana ireo izay mitolona sy manao fitakiana na farafaharatsiny hampihena ny isan’ny olona tonga. Ireo solontenan’ny mpitolona eny amin’ny kianja 13 mey izay nanontaniana anefa omaly hariva dia samy nanamafy fa tsy misy mifampitahotra izany eto. Sahy izahay matoa tonga eny isan’andro, hoy izy ireo ary efa tena resy lahatra amin’ny tolona atao ka tsy handairan’izany kitsipitsipy tsipoapoaka izany. Ny mpiara-mitolona aminay aza efa lavon’ny bala tena izy ka tsy avelanay ho ra raraka an-tany fotsiny tsy misy tohiny ireny. Azo antoka fa hangotraka ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo anio ary ho maro ny vaovao hifampizarana sy ny dingana manaraka amin’ny tolona.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT