Politique

Kara-pifidianana maro be sarona Tena hisy ny hala-bato


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Nisy andian’olona tratra ary niaiky sy nijoro vavolombelona fa niasa nanao mpikarama an’ady tamin’ny tetika fangalaram-bato, ka kandida filoha iray mbola miatrika ny fihodinana faharoa no mpaniraka sy mpanakarama azy ireo.

 

 

 

 Mikarama an’ady ary manana kara-pifidianana maro be efa ho an’arivony, ka mifidy manomboka amin’ny 6 ora maraina, ary miverimberina. Misy hatramin’ny 50 lahy no milahatra sy mivezivezy mifidy, ary miverina indray amin’ny 3 sasany hariva. Efa nampiasaina avokoa ireo kara-pifidianana ireo tamin’ny fihodinana voalohany, hoy izy ireo. Miara-miasa amin’ny delege sy ny mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato izy ireo, ka mandeha ho azy na tsy misy aza ny kara-panondro. Marihina fa monina eto Antananarivo sy manodidina izy ireo. Ireo kara-pifidianana ireo no anisan’ny tsy nahafahan’ny olona sasany nifidy satria tsy tena ny tonga tamin’ny tena tompony ny kara-pifidianana. Mazava, araka izany, fa tena misy ny tetika maloto hangalaram-bato. Aty an-drenivohitra aza misy, mainka fa any amin’ny toerana lavitr’andriana. Efa ireny niaraha-nahita ireny ny tatitry ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fampiasan’ny kandida iray volabe nifidianana safidim-bahoaka ary heverina fa fanohizana izay teti-dratsy izay indray izao zava-misy izao. Efa nanaitra ny olony ho mailo ny kandida Ravalomanana, ary naneho sy nanaitra ihany koa manoloana ny fahitany ny fitanilan’ny minisitry ny atitany miandraikitra ny fifidianana, izay avy amin’ny kandida iray mifanandrina aminy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT