Araka ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana ho filoham-pirenena navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tetsy Ambohidahy omaly dia misy ny fihodinana faharoa izay hotontosaina ny 19 desambra izao.
Midika izany fa fotoana avy hatrany izao tokony handraisan’ny olom-pirenena ny andraikiny mikasika izany, ka tsy mangatak’andro fa mandeha mijery ny kara-pifidianana avy hatrany eny amin’ny biraon’ny fokontany ho an’ireo izay tsy nahazo fa tsy hoe amin’ny andron’ny fifidianana vao hikoropaka. Ny depioten’ny boriborintany faha-4, Felix Randriamandimbisoa dia anisan’ireo nanentana avy hatrany ny vahoakany. Izao dia efa mijery sy maka ny kara-pifidianany any amin’ny fokontany ireo izay tsy nahazo fa tsy rehefa tonga indray ny fifidianana vao mimonomonona hoe tsy nahazo izahay na tratran’ny antsojay. Maro be moa, raha ny nambaran’ity solombavambahoaka ity ireo kara-pifidianana tsy nalain’ny tompony tao amin’ity boriborintany iray ity. Tsy ao ihany fa amina faritra maro dia mbola misy kara-pifidianana tsy noraisin’ny tompony. Samy manana ny fomba fiasany moa ny isam-pokontany saingy ny olom-pirenena dia mila mandray andraikitra ihany koa manontany sy mijery izany. Tsara homarihana anefa fa tsy maintsy ao anaty lisi-pifidianana aloha ianao vao mahazo mifidy ka mampiasa ny kara-pifidianana. Ekena ihany anefa raha sanatria ka tsy nahazo kara-pifidianana ianao rehefa hita mazava ao anaty lisi-pifidianana ny anarana, afaka mifidy fa tsy maintsy mampiseho kara-panondro na pasipaoro na “permis de conduire”
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.