Nivoaka tamin`ny fahanginany manoloana ny toe-javatra misy eo amin`ireo kara-panondrom-pirenena sy kara-pifidianana hosoka izay niparitaka manerana an`i Madagasikara ny tranoprintim-pirenena.
Tsy afaka ny tsy hiteny izahay eto amin`ny trano printim-pirenena, hoy ny talen`ny orinasa, Jean Angelson Randriamboavonjy. Maro ny fokontany manatitra ireo kara-panondrom-pirenena sy kara-pifidianana hosoka tonga eo anivon`ity orinasam-panjakana ity ary efa ho 40%-n`ireo fokontany no nametraka fitarainana. Nomarihany fa ny andraikitry ny tranoprinty amin`ny fanamboarana kara-panondrom-pirenena (CIN) dia voafetra amin’ny fanamboarana ny taratasy sy ny fandefasana izany any amin’ny minisiteran’ny atitany ihany. Taratasy tsotra be no ampiasain’ireo mpanao hosoka kanefa ny taratasy izay ampiasaina dia hafarana avy any ivelany ny 80% ary angatahina manokana any amin’ny orinasa any Alemana mba hisorohana ny lesoka. Mbola misy ihany koa ireo fepetra raisina hametrahana fandriampahalemana (disposition de securitè) hita maso sy tsy hita maso : marika manokana rehefa tarafina amin`ny mazava, ny nomerao ihany koa miova, ny fampiasana ranomainty hafarana manokana. Gaga ny teo anivon`ny “Imprimerie nationale” fa vao vita ny fihodinana voalohany nahita ireo CIN hosoka izay tsy nivoaka avy aty amin`ny orinasa ka nametraka mazava tsara fa ny hosoka mandeha any dia tsy avy aty amin`ny imprimerie ka aoka mba samy ho mailo ny tsirairay. Raha misy seho hafahafa, hoy izy dia afaka miantso ny manampahefana ary hidina hanamarina any ny avy ao amin’ny tranoprinty nasionaly. Notsipihany i Jean Angelson Randriamboavonjy ihany koa fa betsaka ny hosoka amin`ny taratasim-pifidianana: kara-pifidianana… Fanatotana no anjaran`ny “imprimerie” saingy ny CENI no mizara azy. Marihina fa ny ambadika (recto) ihany no nokarakarain’ny trano printy, hoy izy fa ilay misy ny anaran’ny mpifidy dia ny CENI no tompon’antoka. Nametra-panontaniana kosa ny tenany amin`ireo mpifidy tsy nahazo kara-pifidianana satria 12 tapitrisa no natotan`ity orinasam-panjakana ity kanefa 10 tapitrisa latsaka no nifidy. Nohamafisiny fa tsy miray tsikombakomba amin’izay hosoka misy ny tranoprintim-pirenena. Voararan’ny lalàna ny fanaovana sy fampiasana hosoka ka manao antso an`ireo mpitandro ny filaminana mba hijery ny eny anivon’ny biraom-pokontany sy hanara-maso izao hosoka izao, ary hampihatra avy hatrany ny lalàna, satria tsy azo ekena ny fanakorontanam-pifidianana sy tsy fanajana ny demokrasia.
Marigny A. sy Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.