Dia sanatria ho matimaty foana tokoa ve ny kapiteny Falihery Andriantiana fa dia ho afaka madiodio ny namono azy ? Dia ho marina tokoa ve amin’ity fanjakana entin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ity fa tsy maty manota tokoa izay akaiky azy ?
Raha ny taratasy fanomezan-dalana avy amin’ny minisitry ny zandary ho an’ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsaran’i Betroka tokoa mantsy no nandrasana mba ahafahana miroso amin’ny fanadihadiana izay niray tsikombakomba tamin’ny namonoana ny kapiteny Falihery dia famindran-toerana indray no tonga. Zandary 10 no indray hafindra toerana ao amin’ny kaompanian’i Betroka ka anisan’ireo mandeha ny zandary roa ilain’ny fitsarana ao Betroka. Ny Malagasy moa dia mora andairan’ny tsaho izay ihany ka tsy fantatra intsony ny tena marina. Malaza any Betroka fa misy manampahefana manararaotra ny maha akaiky ny Filoham-pirenena ny tenany ka manao izay tiany atao amin’ny mpiasam-panjakana any an-toerana. Raha nanontaniana mikasika ity fanadihadiana momba ny namonoana ny kapiteny Falihery ity kosa ny avy ao amin’ny toby Ratsimandrava dia nanamafy fa efa madiva ho vita ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana fa ny taratasy fanomezan-dalana avy amin’ny minisitry ny zandary no sisa andrasana. Hatramin’ny fotoana nanoratana moa dia tsy mbola nivoaka izany. Nanamafy kosa ny avy ao amin’ny toby Ratsimandrava fa tsy maintsy mitohy ny fanadihadiana na dia misy aza ny zandary afindra toerana. Rehefa ilain’ny fitsarana izy ireo dia tsy maintsy tonga, hoy ny fanazavana azonay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.