Tapaka ny karaman’i Tsihiavonana Maurice, kaonsily jeneralin’i Madagasikara any Marseille -Frantsa. Ny volana oktobra ity no nanomboka ny fahatapahana
. Ny tena manahirana ity konsily jeneraly malagasy any Marseille ity dia sady tsy nahazo fanambarana amin’ny fampiatoana azy amin’ny asany izy kanefa tsy omena ny karamany. Nambarany fa na ny fikarakarana ny kaontenera hitondrany ny entany mody sy ny tapakila ho amin’ny fiaramanidina hodiana aza mbola manahirana satria mila iray volana ny fikarakarana izany. Marihina fa ny kaonsily jeneraly Malagasy any Marseille dia misahana ireo Malagasy mipetraka any amin’ny faritry Alpes-de-Haute-Provence, Alpes-Maritimes, Hautes-Alpes, Ardèche, Ariège, Aude, Aveyron, Bouches-du-Rhône, Cantal, Corrèze, Haute-Corse, Corse du Sud, Dordogne, Drôme, Gard, Haute-Garonne, Gers, Hérault, Landes, Lot, Lot-et-Garonne, Lozère ary ny Pyrénées-Atlantiques. Araka ny efa notaterina tamintsika amin’ireo lahatsoratra hafa dia tena misedra olana ara-bola ny fanjakana amin’ny famatsiana sy ny fampodiana ireo masoivohontsika any ivelany, tsy afa-bela amin’izany ihany koa ny any Marseille.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.