Politique

Kaomisiona politika Magro Behoririka Manatanteraka ny hafatr’i Dada


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Hetsika fampitambarana ny hery tamin’ny alalan’ny fiarahana nisotro ranom-boankazo sy fihinanana ody am-bavafo kely no nokarakarain’ny Kaomisiona politika etsy amin’ny Magro Behoririka tao amin’ny efitra malalaka fivorian’ity toerana ity omaly ka nanasan’izy ireo an’ireo mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha anatin’ny Ankolafy Ravalomanana izay mbola anisan’ireo mamelona ity kianja ity amin’ny fitarihana ireo kabary samihafa tontosaina ao, niaraka tamin’ireo mpikabary sasany sy ireo « Association » mbola mijoro ao an-toerana koa.

Natao izao hetsika izao, hoy Atoa Rakotomamonjy Philippe mpitarika ity kaomisiona politika Magro Behoririka ity, mba hanatanterahana ny hafatr’i Dada manao hoe : « aza manaotao foana fa ataovy izay fihetsika rehetra hitambarana ». Atomboka eto an-kianja izany, hoy izy, ary hitarina amin’ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana rehetra araka ilay fiteny hoe : « Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika ». Efa miroso mankany amin’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny trangan-javatra misy, hoy ny zokiolona iray mpikambana ao amin’ity kaomisiona politika Magro Behoririka ity, satria efa miresaka azy io avokoa ankehitriny izao tontolo izao. Ka aza dia variana fa sao dia isika hanateran-kira indray no hilaza ho tsy mahay. Antsika vahoaka rehetra ity tolona ity, hoy ny inspektera Fanomeza, isika no nanomboka azy fa tsy misy izany mpitarika izany eto an-kianja fa mpikabary fotsiny izahay miakatra lapihazo ireo. Tsy maintsy hampitomboina ny firaisankina hombam-bavaka ao anatin’izany, hoy izy. Politika no atao ka rehefa miresaka izany dia atao ambony ny adihevitra atao. Raha tsy mifankatia isika tsy mody ny filoha Marc Ravalomanana, fa i Dada an’i Madagasikara iray manontolo ka aoka ialana ny fihetsika manafintohina. Mitohy hatramin’ny farany ny tolona ho antsika, hoy ny MCT taloha Manoela, tsy misy miala eto amin’ity kianja ity raha tsy tafody an-tanindrazana ny prezidà Ravalomanana Marc.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT