Politique

Kaominina Toamasina I Vita sahady ny famindram-pahefana, fa inona no nahamaika ?


  • Alatsinainy 21 Septambra 2015

Na tsy mbola eo am-pelatanan’ny Mapar ao Toamasina aza ny didy mirakitra ny voka-pifidianana, dia noteren-ko masaka izany ny sabotsy misandratr’andro teo ny famindram-pitantanana teo amin’i Toalina Zafindrabary sy Dr Ratsiraka Elysée Laurent.

 

 Raha tamin’ny 9ora no fotoana nifanomezana dia tsy nanomboka izany raha tsy tamin’ny 11ora sy 45mn. Tamin’ny 10ora sy 50mn vao tonga ny PDS, tsy nigadona tao amin’ny lapan’ny tanàna ny ben’ny tanàna raha tsy tamin’ny 11ora sy 5mn. Avy hatrany ny dinika tsy nisy nipika naharitra 40 minitra tao anaty birao. Niisa am-polony teo ny taratasy nifanaovana sonia, ka taorian’izay dia fotoam-bavaka naharitra adiny iray. Niarahaba tena ny PDS Toalina Zafindrabary nahatody ny famaranany ny fitantanany ny kaominina, satria narantin’ireo mpiasa tamin’ny sorabaventy ny olana sedrainy noho ny tsy fandraisany karama 5 volana sy 8 volana ho an’ireo kabinetrany. Ho an’ny ben’ny tanàna indray dia “tsy maintsy hamaky atody ny kaominina raha hanarina ny tanàna”, ka anisan’ny mahamaika azy ny fanadiovana, ny fametrahana trano fivoahana sy fidiovana eny amoron-dranomasina, ny filaminam-bahoaka ary ny hametraka sekoly ambaratonga fototra misy fisakafoanana isam-pokontany. Nilaza i Dr Ratsiraka Elysée fa raha tsy hanampy azy ara-bola ny governemanta dia hamelon-tena amin’ny fampihodinana ny kaominina ny Mapar. Noho ity famindram-pitantanana tsy tao anatin’ny “fenitry ny fitantanan-draharaham-panjakana” ity, dia tsy tonga niatrika izany ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, ny lehiben’ny faritra Atsinanana Talata Michel ary ny lefitra voalohany PDS Narove Mamy.

 


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT