Vaky ambatolampy ny ady misy eo amin’ny ekipan’ny sekretera jeneralin’ny kaominina sy ny ekipan’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominin’i Toamasina I,
taorian’ny fandraisana fanapahan-kevitra teo amin’ireo farany manaisotra ny sekretera jeneraliny sy ireo tale, tale ny fitantanam-bola, ny talen’ny fitantanana ny mpiasa, mpiara-dia aminy nanana andraikitra teo anivon’ny kaominina, amin’ny maha kandida ben’ny tanàna ny sekretera jeneralin’ny kaominina. Na efa kandida aza ity sekretera jeneralin’ny kaominina ity dia mbola nampiantso mpiasa nivory omaly maraina nilaza io tsy fahafalian’izy ireo nosoloina io, amin’ny maha mpisahana ny mpiasa an-tselika azy sy misahana ny raharaha ara-panjakana ny kaominina. Nandritra ny fihaonana no nilazany fa tsy misy fehezan-dalàna milaza ny tsy maintsy hametrahako fialana. Fialonana sy fingana politika amin’ny maha kandida ahy no ataon’ny ekipan’ny PDS, indrindra ny lefitra voalohany na efa noraran’ny prefen’i Toamasina aza ny hetsika natao tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina,. Manomboka izao dia tsy ekentsika ny fampidirana politika eo anivon’ny kaominina”. Ankilan’izay dia milaza ny hiaro ny zon’ny mpiasan’ny kaominina hatrany ny tenany na hijanona amin’ny maha sekretera jeneraly azy saingy mbola hijanona hiasa ao anaty biraony hatrany, ka nilazany fa “raha tsy mandray karama alohan’ny fetim-pirenena ny mpiasa, dia ny alatsinainy ho avy hiverina eto isika ary hifankahita amin’ny hetsika hiamafy ataontsika”. Ho an’ny kaominina anefa dia manomboka anio talata sy ny alarobia dia handray ny volany ny mpiasa rehetra eo anivon’ny kaominina. Fanapahan-kevitra hampitoviana lenta ny samy ben’ny tanàna sy hanatsarana ny fitantanan-draharaha ny kaominina ihany koa no natao amin’ny fanoloana olona samy hafa nataony.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.