Politique

Kaominina Mandrosoa Andramasina Kandidan’ny TIM Ranarison Synčse


  • Alarobia 13 Mey 2015

Hametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanŕna ao amin’ny Kaominina Mandrosoa any amin’ny OVEC Andramasina anio ny kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara.

 

 Ny mpanao gazety sady mpitarika tanora Ranarison Synèse no hitondra ny fanevan’ity antokon’ny filoha Ravalomanana ity. Naharesy lahatra ny mpikatroka ifotony ao amin’ny kaominina Mandrosoa Andramasina Ranarison Synèse. Nofidin’izy ireo tamin’ny fifidianana anatiny ary mbola nahazo ny tsodranon’ny birao foibe ny maha kandidà tokana ho an’ny TIM azy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao ny 31 jolay ho avy izao. Nohamafisin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana afak’omaly, raha nihaona fohy tamin’ny mpanao gazety mpanara-dia azy taorian’ny fihaonana tamin’ny masoivohon’i Etazonia sy Japon ny maha kandidàn’ny TIM ity mpitarika tanora ity. Ho fanohizana ireo tetikasa fampandrosoana mivelatra amin’ny sehatra maro efa vita ao Mandrosoa Andramasina no hirotsahan’i Synèse. Ankoatra ny eto an-toerana rahateo dia efa manana mpiara-miombonan’antoka vahiny toy ny Amerikanina izy ho fanatanterahana izany.

 

Jean D.

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT