Hantsoina hivory tsy ara-potoana indray ireo solombavam-bahoaka ato ho ato raha ny filazan’ny minisitry ny Atitany, Solonandrasana Mahalafy. Nilaza ity farany fa hisy volavolan-dalàna hiaraha-midinika sy mamolavola amin’ireo tompon’andraikitra mahefa voakasika amin’ireo Kaominina manana sata manokana (Antananarivo renivohitra – Nosy-Be ary Sainte Marie) rehefa notsipahin’ny Fitsarana
avo momba ny lalampanorenana ny lalàna 2015-004 vao nolanian’ny Antenimieram-pirenena mifehy ireo vondrombahoakam-paritra manana sata manokana. Handalo filankevitry ny governemanta sy minisitra avy eo halefa eny amin’ny Antenimiera holaniana mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana io volavolan-dalàna io. Hifampitady indray ny governemanta sy ny Parlemanta, toy izay nitranga tamin’ny fikasana hizarana an’Antananarivo ho Kaominin’ny Boriborintany miisa enina. Mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina dia niova indray ny filazan’ny minisitry ny Atitany, fa hoe : “tanjona ny hisin’ny fifidianana amin’ity taona ity”, na efa tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra izao aza fa hatao amin’ny 17 janoary 2015 io fifidianana io. Etsy ankilany ny CENI-T dia milaza fa hanao fivoriana tsy ara-potoana faran’izay haingana, mety ho rahampitso alarobia, handinika ny fanapahana noraisin’ny HCC tamin’ny 20 febroary 2015, mitsipaka io lalàna 2015-004 io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.