"Tsy rariny tsy rariny" ! Io no kiakiakan'ny vahoaka ao amin'ny kaominina ambanivolon'i Manambaro any amin'ny Distrikan'i Taolagnaro, faritra Anosy vokatry ny fomba fiasa sy fanapahan-kevitra samirery ataon'ny tomponandraikitra ao amin'ny kaominina iray ity tao anatin'ny taona vitsy
. Tanisain'ireo solontenan'ny vahoaka ao aminy ny tatitra any amin'ny lehiben'ny distrika sy any amin'ny minisitera mpiahy. Nisy ny fandravana tsy an'antony ny tranon'ny corps de la paix (mpilatsaka an-tsitrapo), ny nanendahana ny tafon'ny tribune-n'ny kianja fanaovam-baolina, ny “jardin public” namidy tamin'ny tetikasa tsy miankina iray izay tsy hita na tsy fantatra ny fifanarahana, ny nanjavonan'ireo fitaovan'ny radio diffusion ao an-toerana, fitaovan'ny kaominina, ny famoanana ny tsenan'omby, ny fandroahana tsy amin'antony ireo mpivarotra ao Ampandriakoaky. Ny tsy fisian'ny jiro efa ho an-taonany maro tsy lazaina intsony, hoy ireto vahoaka marobe. Manginy fotsiny ny fandroahana mpiasa. Izany rehetra izany dia mitarika ho amin'ny fihemoran'ny fampandrosoana. Midika ho kaominina ratsy tantana. Mihevitra ny hidina an-dalambe hitaky ny fanesorana ity ben'ny tanàna iray ity ireo vahoaka ao an-toerana raha tsy misy ny vahaolana. Mitaky ny hanaovana fanadihadiana mahakasika ny fampandehanana ny kaominina ireto vahoaka ireto. Ny fanesorana ity ben'ny tanàna ity tamin'ny toerany, hoy izy ireo no hany vahaolana tokana ho amin'ny fanarenana sy hirosoana amin'ny asa fampandrosoana.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.