Hafahafa ny fihetsiky ny kandida sasany izay nirotsaka ho Ben’ny tanàna tao amin’ny Kaominana Ivato Distrikan’Ambohidratrimo ny 31 jolay lasa teo
. Rehefa tsy nahovoka ireo kandida ireo dia mandoto saim-bahoaka indray no ataony. Aelin’izy ireo indray izao ny feo fa haverina ny fifidianana, satria tsy tafakatra izy ireo. Rehefa tsy izay indray dia miketrika ny hanafoana vokatra tamin’ireo biraom-pifidianana tao Mandrosoa mba hahafahana mampiakatra azy ireo, avy eo hifandamina amin’ny toerana ao amin’ny kaominina, hatao lefitry ny Ben’ny tanàna ny iray.
Efa nisafidy ny hanova ny mponina eny Ivato, nefa misy tsikombakomba ratsy mihevitra ny hamadika ny safidim-bahoaka. Tezitra ny mponina eny Ivato mandre ireo resaka ireo, ka mampitandrina izay minia manakorontana iny safidim-bahoaka iny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.