Politique

Kaominina Antsiranana I Niala tsy ho MAPAR ny Ben’ny tanŕna vao voafidy ?


  • Alatsinainy 28 Septambra 2015

Miady an-trano ny samy MAPAR. Nafana ny fifandirana teo amin’ny samy olom-boafidy miara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro iny

 

. Teo amin’ny solombavambahoakan’Antsiranana I, Rahelihanta Jocelyne sy ny Ben’ny tanàna Djavojozara Jean Luc Désiré vao voafidy tamin’ny 31 jolay 2015 no voalaza nifanenjana, ary tonga hatrany amin’ny filazana fa niala tsy ho MAPAR ny Ben’ny tanàna. Nandà an’io fialana io ireo manodidina ny Ben’ny tanàna, ary nanazava fa resaka aelin’ny mpifanandrina politika ivelan’ny MAPAR mba handotoana azy izany. Loharanom-baovao hafa indray milaza fa ady toerana amin’ireo izay ho mpiara-miasa amin’ny Ben’ny tanàna no mampifanolana, ary dia niditra an-tsehatra i Andry Rajoelina nandamina ny samy olony.

Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT