Tena tanteraka eny amin’ny antoko Tiako I Madagasikara Antehiroka tokoa ilay fitenenana hoe : “Tsy lany olomanga” satria dia nanambara Rakotoarimanga Mamitiana izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Mami fa vonona ny hirotsaka ho kandida Ben’ny Tanàna eny Antehiroka amin’ny lisitra Tiako I Madagasikara amin’ny fifidianana izay atao ny 17 Jolay 2015 ho avy izao ny tenany ho fiarovana ny isam-bato tsara efa azon’ny Antoko teny Antehiroka. Namelabelatra ny mikasika izany tamin’ny Tia Tanindrazana Atoa Mami. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Inona no tena nanosika anao hirotsaka ho Ben’ny Tanàna ?
Rakotoarimanga Mamitiana (Mami): Misy antony telo farafahakeliny. Voalohany, amin’ny maha olom-pirenena mananjo feno ahy dia adidiko ny mirotsaka ho fidiana satria manana vinam-piarahamonina izay heveriko hampandroso ny Kaominina aho. Faharoa dia teraka teto amin’ny Kaominina aho ary hilevina eto amin’ny Kaominina, izany hoe nitaiza sy nikolokolo ahy ny fiarahamonina teto amin’ity Kaominina ity koa tonga ny fotoana hamelo-maso sy ho valim-babena hampandrosoana bebe kokoa ny Kaominina Antehiroka ho lovan’ny taranaka ao aoriana. Fahatelo dia mpikambana feno amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ny tenako ary anisan’ireo izay nanangana izany teto anivon’ny Kaominina. Hatramin’izao dia mbola miasa ato amin’ny antoko raha tsy hilaza afa-tsy ny fitarihana ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka farany teo. Izany rehetra izany sy ny maro tsy notanisaina no nahatonga ahy hanapa-kevitra hirotsaka ho kandida Ben’ny tanàna amin’ny lisitra TIM.
TT : Azonao lazaina fohifohy ve ny lalana nodiavinao teo amin’ny politika tato amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara ?
Mami : Rehefa nanapa-kevitra ny filoha Ravalomanana Marc tamin’ny taona 2001 fa hanangana ny Antoko Tiako I Madagasikara dia anisan’ny nanatona ny foibe ny tenako ka nahazo ny antontan-taratasy fananganana. Voafidy ho Filohan’ny FOKO TIM Morondava izay Fokontany iray ao antin’ny Kaominina Antehiroka aho ary voafidy ho mpitantsoratry ny COM TIM Antehiroka tato aoriana ary mbola mitana izany andraikitra izany hatramin’izao. Niditra ho mpanolotsain’ny Kaominina Antehiroka nanomboka ny taona 2003 ka hatramin’izao 2015 izao ary niara-niasa tamin’ny Ben’ny tanàna roa nisesy. Noho ny antsojay nahazo ny Antoko TIM taorian’ny fanonganam-panjakana niseho ny 2009 dia nanangana ny Antoko Zanak’i Dada ny tenako (araka ny toromariky ny Filoha Ravalomanana) ny taona 2013 ary filohan’izany hatramin’izao. Niatrika feno sy tanteraka ireny krizy roa tamin’ny fiainan’ny Antoko ireny (2002 sy 2009) ka anisan’ny nahazo fandrahonana hodoroana trano satria dia tsy matahotra ny manentana ny vahoaka amin’ny foto-kevitra nijoroan’ny TIM.
TT : Ahoana ny amin’ilay hoe Vinam-piarahamonina ?
Mami : Ny vinam-piarahamonina dia fitambaran’ny tetikasa hotanterahina, ny fomba fiasa ampiharina, ny tanjona tiana ahatongavana, ny fampandraisana anjara ny rehetra amin’ny fampandrosoana, fanomezana tatitra mazava ny Fokonolona amin’ny fampiharana ny mangarahara, indrindra ny fahaiza-mitantana.
TT : Inona no tsiambaratelon’ny fahombiazan’ny vinam-piarahamonina tianao hapetraka ?
Mami : Ny firotsahana an-tsehatra, ny fanetren-tena, ny tsy fiheveran-tena ho mahavita irery, ny fifaneraserana akaiky sy matetika amin’ny vahoaka izay entina mba ahafantarana izay mahasoa azy, indrindra ny fahafantarana ny faritra iasana.
TT : Ny TIM Kaominina Antehiroka ve misy kandida maro milatsaka toy ny any amin’ny Kaominina maromaro eto an-drenivohitra ?
Mami : Raha ny fahenoako azy dia toa misy vitsivitsy kanefa mino aho fa hanendry izay mahafeno ireo fepetra ny mpitantana amin’ny antoko rehefa avy maka ny hevitry ny mpikambana fototra satria tsy fotoanan’ny fanaovana fahadisoana amin’ny fanendrena kandida intsony izao noho ny maha maromaro ny kandida avy amin’ny antoko hafa sy tsy miankina hirotsaka.
TT : Ny hafatra tianao atao farany.
Mami : Voaporofo izao fa fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny vola sy fitaovam-piadiana no nisy teto tamin’ny taona 2009 satria dia nongotana an-keriny ny Filoham-pirenena izay mamin’ny vahoaka Malagasy sy neken’ny sehatra iraisam-pirenena kanefa dia mbola iaraha-mahita ohatran’ny tafika andrefan-tanàna fa dia mbola ny filoha Ravalomanana Marc no mitondra vahaolana ho an’ny firenena na dia tsy eo amin’ny fitondrana intsony aza. Ny fifidianana ho Ben’ny Tanàna dia lalana iray ahafahan’ny filoha Ravalomanana Marc miverina eo amin’ny fitondrana indray koa alao hery ary ry mpikambana Tiako I Madagasikara, miraisa hina, atambaro ny hery aza matin-kenamaso fa mijoroa ! Homba antsika mandrakariva Andriamanitra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.