Politique

Kaominina Antaniditra Moramanga Efa miverina matory an-tanŕna ny mponina


  • Zoma 02 Oktobra 2015

Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia fantatra izao fa efa miverina tanteraka matory ao an-tanŕna ny mponina any amin’ny kaominin’Antaniditra distrikan’i Moramanga. Tany an-tsaha izy ireo no natory tamin’ny alina noho ny tahotra ny fiverenan’ny asan-jiolahy toy ny tamin’ny 7 septambra lasa teo izay nahafatesana olona 2 sy naharatrana 3 hafa ary nahamay fananana maro toy ny trano, vokatra, tahiry …

 

Namaly ny antsoantson’ny mponina ny tompon’andraikitra tamin’ny nametrahana tobina zandary 3 any amin’ity faritra ity ka efa mba miverina tanteraka amin’ny laoniny ny fandriampahalemana any an-toerana. Efa miezaka amin’ny fanarenana ny simba koa ny fokonolona tarihan’ny ben’ny tanàna vaovao anisan’ireo niharam-boina. Efa tonga nankahery azy ireo koa tamin’ny alalan’ny fitondrana fitafian-dehilahy sy vehivavy tamin’ny “balles” maro ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Moramanga ary nanampy ara-bola an’ireo tena niharam-pahavoazana mafy sy ireo sahirana ara-pivelomana.

Ntsoavina evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT