Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hotanterahina rahampitso zoma 2 oktobra ny famindram-pahefana eo amin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, kolonely Ramiaramanana Joseph sy ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka Lalao Ravalomanana.
Efa tamin’ny talata heriny no nikasana hanatanterahana azy ity, saingy nisy ny toromarika avy any amin’ny minisiteran’ny Atitany, mba hiandrasana aloha mandra-pivoakan’ny taratasy avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, mampahafantatra ny Ben’ny tanàna voafidy sy hiandrasana ireo fitoriana ataon’ireo kandida Ben’ny tanàna tsy afa-po tamin’ny voka-pifidianana ka nitondra ny raharaha any amin’ny Filankevi-panjakana. Taty aoriana dia narahina filazana fa hisy fanofanana homena ireo Ben’ny tanàna teo aloha sy ny handimby azy ny tsara ho fantatra sy ny tokony hatao amin’ny famindram-pahefana mialoha ny hirosoana aminy. Farany teo indray dia ambara fa mila vitaina amin’ity herinandro ity ny famindram-pahefana. Mifanandrify indrindra amin’ny fe-potoana farany omen’ny lalàna ireo kandida tsy afa-po tamin’ny voka-pifidianana hitondra ny raharaha eny amin’ny Filankevi-panjakana ny datin’ny 2 oktobra. Ho an’i Neny, dia tonga nitsidika ireo sampandraharaha misy ao amin’ny Lapan’ny tanàna ny tenany tamin’ny alakamisy 24 septambra lasa teo, ary efa nidina nijery ireo fanotofana tany teny amin’ny manodidina an’i Masay ny ampitson’io. Aorian’ny handraisany ny fahefana feno no nambarany fa hilazany ny asa laharam-pahamehana hataony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.