Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Efa manomana izay ho filohan’ny Filankevitra ny TIM


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Efa manomana ny fitantanana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra ny antoko Tiko i Madagasikara.

 

Raha mbola variana miady ny voka-pifidianana ny hafa, ho an’ny eo anivon’ny TIM dia efa mazava kosa ny vokatra fa izay fomba handrindrana ny asa no atao izao. Miasa mangina ny antoko amin’ny fandrafetana ireo izay mety handrafitra ireo mpitantana ny tanàna hanampy an’i Neny Ravalomanana Lalao. Fantatra ary ankehitriny fa mety ho manamboninahitra ambony teo anivon’ny foloalindahy izay efa misotro ronono no hatolotry ny antoko hofidiana ho filohan’ny Filankevitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Amin’ny alalan’ny fifidianana no hanaovana azy ka antenaina fa tsy dia hisy olana loatra amin’ny antoko TIM izay manana mpanolotsaina betsaka eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mety ho Ramiaramanana Patrick izay efa nitantana ity tanànan’Antananarivo ity no hiandraikitra ny toeran’ny lefitry ny Ben’ny tanàna. Ny tena nampiavaka ny nandalovany tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fanatanjahantena ka nampalaza ny Usca Foot sy ny Uscar tamin’izany fotoana.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT