Iray volana tsy hahatongavan’i Neny Lalao Ravalomanana ao amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo handraisany ofisialy ny toerana maha Ben’ny tanàna azy dia toa misy tranga mampiahiahy miseho eo anivon’ity tanàna ity.
Toa hihazakazahana izany ny bizina rehetra. Manaitra mihitsy aza ny maheno an’ity Kaominina resy lava eny amin’ny Fitsarana ity, amin’ireo ady tany nofongarina tato ho ato. Nalaza tamin’ireny ny raharaha FISEMARE, izay nipoiran’ny olona milaza fa tompon’ny tany iorenan’ny Foiben’ity sendika ity etsy Ankadifotsy. Tsy nanaiky mora anefa ny FISEMARE fa niady hatramin’ny farany. Teo koa ny raharaha COUM 67ha. Ny Kaominina indray no nivadika ka nanao izay hialan’ireo mpivarotra napetrany ny teo amin’io kianja io rehefa nesoriny teo amin’ny tsenan’Anjoma na Esplanade Analakely. Toy izany koa ny teo Bagdab fa hoe : lasan’ny kaompania mpaninjara solika indray koa ity toerana ity. Dia izao indray eny Antsahatsiroa Ambonin’Ampamarinana, “Parking” efa an-taonany maro no misy mamefy tsotra izao, fa hoe manan-tompo. Nitondrana vadintany sy mpitandro ny filaminana mihitsy ny famefena ny toerana. Tsy resahina ireo fanotofan-tany misoko mangina eran’ny tanàna sy ny fandevenana bizo etsy sy eroa. Asa be miandry ny ekipan’ny Ben’ny tanàna vaovao eo ny fanadiovana ny tanàna amin’ny endriny rehetra.
RAGASY : Tsy zakanareo indray ny fahanginan’i Neny dia manipy hoditr’akondro eran’ny tanàna ianareo a !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.