Politique

Kaominina Ampitatafika Lasa misy olana ilay tanimenabe


  • Talata 05 Jona 2018

Mahazo vahana tanteraka ny kolikoly eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany ankehitriny.

Tranga maro samihafa no hita eto amintsika toy ny fisiana tany iray izay lasa misy tompony roa tampoka, ireo olona very tany nefa tompony manana taratasy ara-dalàna sy mazava…Anisan’ny lasibatra sy miaina izany ireo tompon-tany sasany etsy  amin’ny tanimenabe Ampitatafika. Eo amin’ilay tany  nototofana no misy io tranga io noho ny fitombon’ny vidin’ny tany eny an-toerana. Raha 10.000 Ar mantsy no vidin’ny tany 1 m 2 tamin’ny fotoan’androny, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna dia efa  tena tsara vidy be ankehitriny ka hifandrombahan’ny olona. Teny am-piandohana anefa dia tsy nisy mpanontany akory ireto tany ireto satria sady  lasa lava-biriky no tsy namoka-bary intsony, antony nanosika ny kaominina hiantso mpandraharaha hoenti-mampandroso ny tanàna ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa tanàna vaovao. Tsy vitsy ireo olona lasa nalaim-panahy nanao hosoka vokatr’izany ka tany karazany telo hatreto no efa nisy olona tao amin’ity tanimenabe ity. Anisan’ireny ny parcelle laharana 84 sy 84 bis. Eo ihany koa ny parcelle laharana 85 section BB  izay zary lasa misy tompony roa samihafa ankehitriny  sady manana taratasy ara-dalàna avokoa ka nihaona mivantana tamin’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsainy, omaly. Niezaka ny nandamina sy nipetraka ho Raiamandreny ny kaominina manoloana izany. Raha sanatria ka tsy hita anefa izay marimaritra iraisana dia nilaza ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina fa tsara kokoa raha tonga hatreny amin’ny Fitsarana ny raharaha satria fisaka loatra ny rariny. Ilay Ramatoa milaza ho tompon’ny tany iray eo an-daniny tsy manaiky ihany koa fa hampiakatra ny raharaha satria tsy hamidiny, hono, ny taniny.  Noho ny fangatahan’ity Ramatoa ity moa dia efa naaton’ny kaominina Ampitatafika ny fanotofana ny tany. Neken’ny kaominina ihany koa ny fitondrany vadintany sy mpandrefy tany teny an-toerana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT