Politique

Kaominina Ampasikely Ezaka goavana ny fananganana fotodrafitrasa


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Mahavelombolo ihany hatreto ny fampanantenana sy fanomezan-toky nataon’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fampiantsoana ireo mpitantana ifotony manerana ny nosy teto amin’ny renivohitr’i Madagasikara, hoy ny Ben’ny

 

tanànan’Ampasikely, Distrikan’Amparafaravola Raharimalala Saholinirina fantratry ny maro amin’ny hoe Tati Sah. Miandrandra ny fanatanterahana ny kabary nataon’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka mpamatsy vola ho fampandrosoana ny Kaominina hanatontosana ireo tetikasa izahay, hoy ihany Tati Sah. Ezaka goavana tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ho an’ity Kaominina ambanivohitra ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola ity moa ny fananganana ireo fotodrafitrasa samihafa toy ny fanorenana sekoly ambaratonga voalohany, tsena, trano fivoahana ary ny trano fampiterahana. Eo ihany koa anefa ireo mpiara-miasa ifotony sy ny tohana avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara izay manana ny fandaharanasa Madagasikara Amperinasa kaominaly.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT