Tsy tanteraka, raha tokony ho natao omaly alarobia 01 jolay 2015, ny famindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Ambanja sy ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS) vao notendren’ny fanjakana hasolo azy.
Tsy raikitra izany satria mandroso mihemotra ny solontenam-panjakana ao an-toerana. Maro ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, hoy ireo mpahay lalàna zanak’Ambanja nitety ireo haino aman-jery tao an-toerana hatry ny talata. Tsy ara-dalàna ny fanendrena ny PDS, hoy izy ireo satria lalàna 2014-020 no tokony ho nampiasaina fa tsy 1994-08. Manambana ny hitondra ny raharaha any amin’ny “Conseil d’Etat” izy ireo. Marihina fa nirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 31 jolay izao ny Ben’ny tanàna am-perinasa Jaovanona. Kandidan’ny antoko Tiako I Madagasikara izy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.