Politique

Kaominina ambanivohitra Mahitsy Efa mendrika ny ho distrika kely, hoy Atoa Rakotovao Andriambololona


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Tapa-kevitra ny mbola hanohy ireo asa maro vita tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy Atoa Rakotovao Andriambololona ben’ny tanàna am-perinasa ao amin’ity toerana ity.

Efa nisafidy ny hanao zavatra hafa amin’ny fitadiavam-pivelomana ny tena taorian’ny nahavitana ny nitondra ity kaominina ity tamin’ny taona 2000-2003 ary efa nisy olona nandimby ahy mihitsy teto amin’ity toerana ity saingy  noho ny fangatahan’ny mponina rehefa nahita ny zava-nisy niaina teto dia nangatahan’izy ireo hiverina amin’ny toerana indray ny tena nanomboka nytaona 2008 ka hatramin’izao ankatoky ny fifidianana manaraka izao, hoy izy. Efa be ny zava-bita teto amin’ity kaominina toy ny sekoly, tobim-pahasalamana, lalankely manerana ny tanàna, famefena sy fanatsarana ny kianja filalaovam-baolina, fananganana kianja filalaovana lalao basikety roa, fandaminana ny disadisa nisy teo amin’ny fitantanana ny tsena ka nanesorana tamin’ny toerany ny lehiben’ny tsena teo aloha sy ireo mpanolotsainan’ny tanàna nifandray tendro taminy. Raha voakilasy ho « zône rouge » i Mahitsy tany aloha tany dia efa tena mandry fahalemana ny tanàna ankehitriny noho ny fahatongavan’ny komandàn’ny zandarimaria vaovao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015. Ho laharam-pahamehana eto amin’ny kaominina amin’ny ho avy ny fanomezana karatany ny olona mba hampazoto azy ireo handoa hetra hanatevenana ny kitapom-bola eto an-toerana satria efa vita ny « recensement » ankehitriny. Hisy fitantananana ny fako hiaraka amin’ny « club de volontaire » ho atao koa eto amin’ny kaominina amin’ny manaraka, hisy ny fanaovana « pavé » ireo elakalan-trano manerana ny kaominina, hisy koa ny fanavaozana ny tsena ho atao. Ny filàn’ny mponina izay mahatratra 45 000 no ho jerena amin’ny ho avy hoe ny atsy mila epp na ceg, ny aroa mila kianja filalaovana na trano fikoranana na koa rano fisotra madio na toerana fanasan-damba sns...  Efa mahaliana ny olona maro ety Mahitsy ankehitriny fa mbola malalaka ny tany ary  azo vidiana. Misy eto amin’ity kaominina ambanivohitra ity koa ny zavatra fahita amin’ireo kaominina ambonivohitra ireny toa ny banky, toeram-pampisamborambola isan-karazany, ny mpampiely “Canal Sat”, sns… ka mahatonga ny maro hiteny fa efa mendrika ny ho distrika kely mihitsy ity kaominina ity ankehitriny. Raha ny nihamina tamin’ny fanampian’ny fanjakana foibe izahy hatramin’izay, efa fantatra  kosa izao fa misy zanaka am-pielezana any dilambato mikarakara ny hampifandray ny kaominina amin’ny kaominina any ivelany. Ho tohizana sy ho hatsaraina ny fanondranan’ny kaominina sakafo any amin’ny faritra hafa toa an’Antsiranana, Mahajanga, Toamasina ary Antananarivo sy ny manodidina.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT