Politique

Kaominina ambanivohitra Itaosy Vita tamim-pirahalahiana ny famindram-pahefana


  • Talata 06 Oktobra 2015

Vita tamin-pirahalahiana tanteraka omaly alatsinainy 5 oktobra 2015, tsy mba nisy antsojay na gidragidra, ny famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna mpisolo-toerana na PDSn’ny kaominina ambanivohitra Itaosy eny Atsimo, Ranaivoson Lalaina, sy ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka farany teo, Randrianarisoa Richard antoko TIM, izay marihina fa efa ben’ny tanàna am-perinasa teo amin’ity toerana ity ihany teo aloha nandritran’ny 8 taona teo ho eo

 

. Tsy nisy ny olana tamin’ity famindram-pahefana ity satria efa lefitr’ity ben’ny tanàna vao miditra ity taloha ihany koa ka efa nahay niara-niasa tsara taminy ity PDS nosoloiny ity. Vavaka fohy narahan’ny fampitana ny tenin’Andriamanitra nentin’ny Pasitera Benja avy eny an-toerana no nanombohana ny fotoana ka nampisongadinany tenin’Andriamanitra notsongaina tao amin’ny bokin’ny Romana nanao hoe” aza mieritreritra izay avonavona” ary namporisihan’ny rehetra mba hiray hina hampandroso ny kaominina. Nampian’ny ben’ny tanàna vaovao moa izany tamin’ny fiantsoana ny rehetra tsy an-kanavaka hampanjaka ny firaisankina ary hamela an-jorony amin’izay ny resaka politika fa hibanjina kosa ny fampandrosoana ny kaominina.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT