Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia nilaza ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Alasora,
Marc Ramiarinjatovo fa tsy manakana izay te hanohana ny hetsika tarihin’ireo solombavambahoaka miisa 73 ao amin’ny kaominina izay hiadidiany. Mikasika ny resaka mandeha ny amin’ny fitaomana ireo ben’ny tanàna ho eny amin’ny Coliseum ny sabotsy izao ihany koa dia nilaza izy fa malalaka amin’ny safidiny ny ben’ny tanàna rehetra. Amin’ny maha lehiben’ny fivondronan’ireo ben’ny tanàna ao amin’ireo kaominina 65 eto Analamanga hiadidiako, hoy izy, dia te hanamafy izany aho. Ato ho ato raha miha mafy izay tolona izay sy ny toe-draharaham-pirenena dia mpiandry raharaha na « service minimum » ihany no hisy eo anivon’ny kaominina mba ho fanajana ny safidin’ny tsirairay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.