Nohamafisin’ny “Tribunal Administratif” tao Toamasina tamin’ny didy navoakany ny fahalaniana ofisialin’ny kandidŕ Breo Ramanampisoa ho ben’ny tanŕna vaovaon’ny kaominina Antaniditra any amin’ny distrikan’i Moramanga
. Mazava loatra fa ny fanarenana ny tanànan’Antaniditra izay potika sy be trano may noho ny asa-ratsy nataon’ ireo jiolahy nirongo fiadiana nanafika azy tamin’ny 11 alina ny 07 septambra 2015 teo, eo koa ny fijerena akaiky miaraka amin’ireo mpitandron’ny filamanina ny lafiny fandriampahalemana izay tena mampikolay ny mponina any an-toerana ankehitriny. Marihana moa fa anisan’ireo nitondra faisana tamin’iny fanafihan-jiolahy iny tanteraka ity ben’ny tanàna vaovaon’Antaniditra ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.