Anio ny fe-potoana farany nomen’ny mpiasan’ny kaominina ny PDS Ny Hasina Andriamanjato mba handraisany fepetra mazava momba ireo tompon’andraikitra 3 voalaza fa tokony hoesorina, ka tafiditra ao anatin’izany ny sekretera jeneralin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.
Efa nisy ny fifampiresahana tamin’Atoa PDS, hoy ny solontenan’ny mpiasa ary nanome toky izy fa hikaroka ny vahaolana, tsy hita ihany anefa izay tena marina hatramin’izao ka izay no antony nanomezana ity « ultimatum » ity. Nambaran’Atoa Manitra Harentsoa, solontenan’ny mpiasan’ny kaominina izay niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly fa ny 90%-n’ny mpiasa no mitaky ny fanesorana ny sekereta jeneraly sy tompon’andraikitra roa hafa ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra, ary mety hisy ny fitokonana rehefa tsy miala ireo olona ireo. Momba ny fizarana ny renivohitra ho kaominina 6 indray dia miahiahy ireo mpiasa ireto fa sao lahy ka hampitombo ny olana izany, amin’izao fotoana aza efa tsy ampy ny vola hiasan’ny kaominina, vao miha hisy kaominina 6 hafa eto, tsy maintsy hitombo izany ny tetibola. Ary ahoana ihany koa ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa enti-miasa amin’izany ? Efa misy ve ary ampy ? Mety hiteraka olana ihany koa ny momba ireo mpiasa satria eto amin’ny foibe Antananarivo Renivohitra no miasa ny 70%-n’ny mpiasan’ny kaominina, ny 30% ihany izany no miasa any amin’ireo boriborintany 5 hafa. Mikorontana ny sain’ny mpiasa, hoy i Manitra Harentsoa ny amin’ny hoe afindra toerana ve izany izy ireo sa ahoana ? Mila fanazavana bebe kokoa ity resaka ity raha ny filazany mba hampisinda ny ahiahy tsy hihavanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.