Politique

Kaominin’Antananarivo Renivohitra Hisy asa mivaingana vita ao anatin’ny 3 volana


  • Talata 13 Oktobra 2015

«Tsy misy andraso andraso fa tonga dia hiasa avy hatrany isika», hoy ny Ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana omaly maraina raha niresaka tamin’ny mpiasan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra teny amin’ny Lapan’ny tanŕna izy taorian’ny fananganan-tsaina voalohany nandraisany anjara.

 


 

 «Ilaina ny fifanajana ary tokony ho hentitra mba hivaingana ny vokatra ho azo», hoy hatrany ny fanambarana nataony ary ao anatin’ny telo volana dia efa tokony hisy asa mivaingana vita. Namerimberina hatrany i Neny fa atao ao anaty fitiavana daholo ny asa. Mino sy matoky aho, hoy izy fa tsy ho zava-poana ny ezaka atao ary ny tanjona dia ny fanarenana ny tanàna. Re fa ho anio no mety hahafantarana ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Ben’ny tanàna vaovao ka hampihazakazaka hatrany ny asa hatao. Ao anatin’izany rehetra izany dia mitohy hatrany ny fitsirihana ny zava-misy eny amin’ireo fokontany maro manerana ny renivohitra mba hahafantarana ny asa maika tsy maintsy atao. Anatin’ny fiovam-penitra ny eo anivon’ny CUA ankehitriny, ka voalohany amin’ireny ny fametrahana ny tsy maintsy hanajana ny fitsipi-pifehezana mba hampirindra tsara ny asa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT