Politique

Kandidan’ny HVM ao Mahajanga Voatoraka tavoahangy


  • Talata 26 Mey 2015

Efa tsy ny lalŕna intsony no manafay ireo kandidan’ny antoko Hvm amin’ny halatra propangady ataon’izy ireo fa ny vahoaka izay hifidy azy ireo mihitsy no nandray ny andraikiny sady naneho fa tsy mety ny halatra fampielezan-kevitra aloha io.

 

 

 Notorahin’ny olona tamin’ny tavoahangy feno fasika ity kandida avy amin’ny antoko HVM ity tao Mahajanga nandritra ny hetsika Beach Soccer teny amin’ny torapasika ny alahadin’ny pentekosta teo. Ity farany izay mpikarakara ny hetsika famaranana ny lalao beach-volley. Tsy miafina intsony fa dia nampahafantarina ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanentanana sy hira ataon’ny mpanakanto izay nalaina ny anaran’io kandida HVM ao Mahajanga io fa rehefa misy zavatra kely na mitady tehaka dia ity farany no antsoina sady omena voninahitra. Maro anefa no tsy mankasitraka ity propangady mialoha ataon’ny Hvm ity ka dia samy nanao izay saim-pantany ireo vahoaka tonga nijery ny hetsika. Tao ny nitoraka fasika, tao koa ny nihorakoraka. Na dia tsy mbola tonga aza ny fifidianana dia efa asehon’ny vahoaka malagasy sahady ny tsy fitiavana ny fomban’ny antokon’ny fitondrana. Ny ao Mahajanga II aza dia efa tsy sahy manao hetsika ny antoko HVM ao an-toerana satria ahitana mponina tena masiaka ny ao Belobaka indrindra.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT